Malalat...saina hono!

Nampidirin'i idaday | 8 Aog, 2007

Efa ela no saika hitenenako anazy ity fa zao vao tadidiko. Izy ity ma zany de momba ny ny site raika ze nalaza be tany @ 2 volana tany ho any angamba iny. Site natokana ho ana olondehibe le izy ka nahatonga resabe t@ olona. Ka za moa tsy de te hiresaka loatra @ ilay site na dia mba nanarangarana tao ihany aza fa teo @ hevitry ny olona no tiako ambara.

Misy moa ny mankasitraka ary misy ny tsy mankasitraka. Ary dia samy milaza ny heviny daoly ny olona.

Ny tsy mpankasitraka moa dia mifototra @ hoe tsy mifanaraka @ soa toavina malagasy, tsy mety @ maha-kristiana,..sy ny sisa

Ny mpankasitraka indray dia milaza fa efa vanimpotoanan'ny fandrosoana zao ka tokony hivelatra ny saina. Dia misy firariana sy fampaherezana mihitsy ho an'ny tompon'ilay site. Ary dia lazainjareo fa tery saina, mpihatsara-velatsihy mintsy ma zany le olona tsy mpankasitraka.

Ka io mintsy zany no tiako ambara eto. Za ma zany de lazaiko aminareo fa de tena tsy mba  mankasitraka an'io e, na dia mba nijery tao ihany aza (ahoana tokoa moa no ahafahana milaza ho tsara io na ratsy raha tsy efa nahita). Na dia bakozetra aza  idaday dia tsy mba manaiky mihitsy @ hoe ny fandeferana @ fanehoana zavatra mamoafady sy tsy fampiseho masoandro ampahibemaso dia midika sy mariky ny hoe fandrosoana

Ary izaho ndray dia mirary ny hahafoana an'io blog milaza azy ho malalatsaina io na iza faly na iza tsy faly e. Raha ny ataon'io blog io no hamaritanareo ny atao hoe fandrosoana, dia... eeee "malalaka" marina nareo.

Ny Vary sy ny Baolina

Nampidirin'i idaday | 24 Jol, 2007

Izy ity zany an, mba fandinihana tsotsotra mba hitako, ary efa noresahako t@ ery zalahy akamakama teto an-tanana ihany dia mba aleo koa mba aroso eto aloha. Ery zalahy koa manko indraindray miseho be analizy @ resaka politika de tsy haiko tsara ny miresaka aminy. Raha vao misy zavatra dia hoe politika io e, sosy io e....

Ka zao zany le izy e, asa raha voadinikareo fa ny firenena mihinambary an dia tsy mahay baolina. Jereo ohatra i Indonezia, Malaizia, Inde, Vietnam, sinoa, karana, Filipina... tsy mbola naheno mihitsy aho hoe mba tafakatra phase finale tamina coupe du monde reo. Dia karana efa ho amina miliara ve leretsy dia tsy hisy olona 11 mba tena sangany ao? torak'izany koa indonezia. Vietnam moa dia @ vidaka ihany no mampalaza ananjy.

De ny gasy moa zany d'efa aleo tsy tenenina e.

Ny mahagaga manko dia tsy azo atao hoe ny terrain mihitsy no tsy ampy raha ohatra ny aty aminay aloha an. Rehefa ho vita hoatrohatr'izao manko ny vary malalaka be ny terrain. Ary feno boay kely milalao baolina eny an-tanimbary eny.

Ny any ery zalahy afrikana zao araka ny lazain'ilay zamako izay de tsy vary zany hono no tena sakafony fa totokoba katsaka na mangahazo, karakaraina dia indraindray alona dia iny no hanina. Ka sao dia mba tokony hiova regime koa ny mpilalao malagasy ho fanombohana. Tokony hisy spesialista @ sakafo afrikana koa izany ao @ federasiona ao. 

Ka angamba koa tokony hisy fikaonandoham-pirenena iraisan'ny firenena mpihinambary mihitsy hoe ahoana no atao hampadroso an'ity lalao baolina kitra ity. 

Tonga soa idaday!... Misaotra.

Nampidirin'i idaday | 3 Jol, 2007

Ie efa nofafana ka! Efa ato @ ilay toerana mintsy zao izaho namafa ananjy.Ha! Ka hay moa mbola andrana izy 'ty? Heveriko fa hoe efa tena izy.

Dia tsisy fisaorana leretsy fa dia hampiasa tokoa agny!

Tsy izany fa malaza monkony izy ity hoe blaogy e blaogy e dia mba te hanaraka ny toetr'aandro ny tena de mba nanontany ny namana hoe inona tsara ma leretsy zany blaogy izany. Dia nanazavazava teo moa ry zalahy (le mahay ananjy io an) hoe le izy ao amin'ny internety de ao ialahy milazalaza izay tian'ialahy lazaina, dia feno olona milaza an'izay tiany lazaina koa ao, dia afaka mamaky izay zavatra lazainy ao ialahy. Hoatry ny mety aminahy hoa zany mba hita @ internety. Dia mba nikaozina moa izany ilay bandin'ny siberkafe vao nisokatra teto an-tanana hoe mba ampio hoa za hanao zany blaogy zany. Dia eny ozy. Dia lery izany no mba manampy anahy eto e.

Izaho moa zany dia idaday no fiantsonjareo anahy e. Ety ampitandrefan'Ambato aty. Mbola mpitovo fa he... hainareo ihany e! aaann, dia hoatr'izay e. Za io zany mpanao vary za io, fa mba te hivoatra moa ny tena dia mba nianatra informatika fa hoe zany hono no  mariky ny fandrosoana de ozy aho hoe aleo idaday mba hianatra an'izany. Tsy hoe niditra sekoly akory fa ilay bandin'ny sibera manko zaza niara-nilalao taminahy dia hozy lery hoe avia ialahy ampianarina, dia mba atorotoron'i lery za hoe ity izao ity izao. I Parfait no anaran'i lery io.

Ka efa elabe za no teto fa @ manaraka indray izany aloha fa efa alina be, fa mbola hijinja vary koa rampitso.