Ny Vary sy ny Baolina

Nampidirin'i idaday | 24 Jol, 2007

Izy ity zany an, mba fandinihana tsotsotra mba hitako, ary efa noresahako t@ ery zalahy akamakama teto an-tanana ihany dia mba aleo koa mba aroso eto aloha. Ery zalahy koa manko indraindray miseho be analizy @ resaka politika de tsy haiko tsara ny miresaka aminy. Raha vao misy zavatra dia hoe politika io e, sosy io e....

Ka zao zany le izy e, asa raha voadinikareo fa ny firenena mihinambary an dia tsy mahay baolina. Jereo ohatra i Indonezia, Malaizia, Inde, Vietnam, sinoa, karana, Filipina... tsy mbola naheno mihitsy aho hoe mba tafakatra phase finale tamina coupe du monde reo. Dia karana efa ho amina miliara ve leretsy dia tsy hisy olona 11 mba tena sangany ao? torak'izany koa indonezia. Vietnam moa dia @ vidaka ihany no mampalaza ananjy.

De ny gasy moa zany d'efa aleo tsy tenenina e.

Ny mahagaga manko dia tsy azo atao hoe ny terrain mihitsy no tsy ampy raha ohatra ny aty aminay aloha an. Rehefa ho vita hoatrohatr'izao manko ny vary malalaka be ny terrain. Ary feno boay kely milalao baolina eny an-tanimbary eny.

Ny any ery zalahy afrikana zao araka ny lazain'ilay zamako izay de tsy vary zany hono no tena sakafony fa totokoba katsaka na mangahazo, karakaraina dia indraindray alona dia iny no hanina. Ka sao dia mba tokony hiova regime koa ny mpilalao malagasy ho fanombohana. Tokony hisy spesialista @ sakafo afrikana koa izany ao @ federasiona ao. 

Ka angamba koa tokony hisy fikaonandoham-pirenena iraisan'ny firenena mpihinambary mihitsy hoe ahoana no atao hampadroso an'ity lalao baolina kitra ity.