Tonga soa idaday!... Misaotra.
Nampidirin'i idaday | 3 Jol, 2007Ie efa nofafana ka! Efa ato @ ilay toerana mintsy zao izaho namafa ananjy.Ha! Ka hay moa mbola andrana izy 'ty? Heveriko fa hoe efa tena izy.
Dia tsisy fisaorana leretsy fa dia hampiasa tokoa agny!
Tsy izany fa malaza monkony izy ity hoe blaogy e blaogy e dia mba te hanaraka ny toetr'aandro ny tena de mba nanontany ny namana hoe inona tsara ma leretsy zany blaogy izany. Dia nanazavazava teo moa ry zalahy (le mahay ananjy io an) hoe le izy ao amin'ny internety de ao ialahy milazalaza izay tian'ialahy lazaina, dia feno olona milaza an'izay tiany lazaina koa ao, dia afaka mamaky izay zavatra lazainy ao ialahy. Hoatry ny mety aminahy hoa zany mba hita @ internety. Dia mba nikaozina moa izany ilay bandin'ny siberkafe vao nisokatra teto an-tanana hoe mba ampio hoa za hanao zany blaogy zany. Dia eny ozy. Dia lery izany no mba manampy anahy eto e.
Izaho moa zany dia idaday no fiantsonjareo anahy e. Ety ampitandrefan'Ambato aty. Mbola mpitovo fa he... hainareo ihany e! aaann, dia hoatr'izay e. Za io zany mpanao vary za io, fa mba te hivoatra moa ny tena dia mba nianatra informatika fa hoe zany hono no mariky ny fandrosoana de ozy aho hoe aleo idaday mba hianatra an'izany. Tsy hoe niditra sekoly akory fa ilay bandin'ny sibera manko zaza niara-nilalao taminahy dia hozy lery hoe avia ialahy ampianarina, dia mba atorotoron'i lery za hoe ity izao ity izao. I Parfait no anaran'i lery io.
Ka efa elabe za no teto fa @ manaraka indray izany aloha fa efa alina be, fa mbola hijinja vary koa rampitso.